- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTVM : Feno miaramila miafina ao an-toerana

TVM : Feno miaramila miafina ao an-toerana

Nohamafisina araka ny efa notaterina omaly ny fiarovana ny biraon’ny ORTM, izay misy ny TVM sy ny RNM. Izany dia taorian’ny feo nandeha fa nisy nikasa hanafika io toerana io. Nanome baiko ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana ny hisian’ny fisafoana matetika eo Anosy, eo amin’ny manodidina io birao io, amin’ny alina. Ankoatra izay dia marobe ihany koa ny mpitandro ny filaminana napetraka ao, saingy tsy hitan’ny besinimaro mivantana izany. Na ny mpiasa aza dia tsy mahatsikaritra ny fisian’ireo, satria tsy tiana ny hiteraka resa-be sy fikorontanan-tsaina izany. Midika izany rehetra izany fa nanaitra ny tompon’andraiki-panjakana iny raharaha iny na dia siosion-dresaka aza no nisokajiana azy tany am-boalohany. Tsy misy maharatsy izany, satria azo anatsoahana lesona avokoa ny zava-nitranga maro izay efa niainan’io toerana io…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser