- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Karàna iray hita faty tao amin’ny biraony

Ankadifotsy : Karàna iray hita faty tao amin’ny biraony

Omaly maraina no naharay antso ny polisy avy ao amin’ny BC 1 fa misy teratany karàna iray hita faty tao amin’ny biraony, teny Ankaditapaka Ankadifotsy. Avy hatrany dia nandeha teny an-toerana izy ireo nijery ny zava-nisy. Rehefa tonga teny ireo mpitandro filaminana dia nahita ilay lehilahy efa tsy nisy aina intsony. Nojerena ka nivoaka rà ny vavany sy ny orony. Hita tao amin’ilay toerana ihany koa ny pistolet iray calibre 22 MR. Araka ny vaovao nampitaina tamin’ireto mpitandro filaminana ireto dia toa hoe nitifi-tena ity olona ity. Nanampy ry zareo rehefa avy nijery ny razana fa ankevitry ny nampidiriny tao ambavany ilay basy. Mbola tombatombana ihany koa anefa ny azy ireo fa ny valin’ny “autopsie” no tokony hahalalana ny tena zavatra nisy marina. Efa vita omaly koa anefa izany, hoy ny vaovao voaray avy eny amin’ny hopitaly. Nanamarika ny vaovao fa ny lohany ihany no nisy ratra. Ny vatany iray manontolo kosa tsy nahitana na inona na inona, izany hoe tsy niharan’ny herisetra ity namoy ny ainy ity, hoy hatrany ny vaovao.

Ny vaovao nampitain’ny fianakaviana tamin’ny mpitandro filaminana hatrany no hilazana fa tany ambony rihina ity olona ity no natory ny alina, niaraka tamin’ny rahalahany. Any ambany rihina kosa no misy ny biraon’ity olona maty ity. Trano fonenana sady toeram-piasana io trano io, hoy hatrany ny vaovao. Voalaza moa fa ity rahalahiny ity no nampandre ny mpitandro filaminana rehefa nahita ny zavatra niseho, omaly maraina.

Rehefa vita moa ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana dia nalefa teny amin’ny tranom-paty HJRA ny razana. Omaly ihany dia efa nalain’ny havany ny nofo mangatsiakan’ity olona ity.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser