Hatairana ny an’ny ray aman-drenin’ity zaza vavikely vao herintaona sy efabolana nahita azy narary tampoka, tamin’ny sabotsy alina teo teny Ambohimanarina. Novonjena nentina teny amin’ny hopitaly haingana. Rehefa nandray azy ny mpitsabo ka nijery ny fahavoazany dia nahita fa nahatelina poizim-boalavo sy fanafody hafa “gélule” ilay izy. Ny nahamaika dia ny nitsabo azy ary efa kivy ihany ilay mpitsabo. Rehefa avotra soa aman-tsara ilay zazakely dia nilaza ny ahiahiny tamin’ny ray aman-drenin’ilay ankizy ny mpitsabo fa tsy ho vitan’io zaza io mihitsy ny hitelina ireo fanafody ireo amin’izao. Raha ny fandehan-javatra, mipetraka ao amina trano mifefy tamboho ity fianakaviana ity. Ilay reniny nivarotra ny antoandro. Ilay zanany kely kosa nandady tao anaty tokotany tao. Rehefa nanontaniana io reniny dia nilaza fa tsy nametraka poizim-boalavo mihitsy ry zareo ary tsy nisy fanafody nipetrapetraka tao an-trano na teny ivelany. Raha izany, nisy olon-kafa ve nanome an’ireo poizina ireo an’ity zaza ity?
Rehefa nahazo fitsaboana ilay zaza dia avotra soa aman-tsara ny ainy na dia mbola arahana akaiky aza ny fahasalamany.
r.s.