Mpandeha an-tongotra iray no fantatra fa namoy ny ainy, nodonin’ny fiara teny amin’ny By Pass, kaominina Alasora, ny sabotsy alina teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa nandeha mafy ilay fiara. Rehefa voadona ilay olona izay tokony ho eo amin’ny 28 taona eo dia nitrosona tamin’ny tany ary tsy tafarina intsony. Naratra mafy tokoa izy tamin’izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpamily ilay fiara, ka nitondra ilay maratra tany amin’ny trano fitsaboana. Tsy tana intsony anefa ny ain’ilay voadona. Efa ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana amin’izao fotoana izao.
r.s.