Nitrangana vono olona indray, tany amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, afak’omaly antoandro, miala kely ny tanànan’i Sakaraha, hihazo an’Ilakaka. Mpamily iray no voatsatoky ny antsy teo amin’ny ilan-kibony havanana ka naratra mafy ary tsy maintsy notsaboina. Raha ny vaovao voaray, dia nitaky saran-dalàna tamina mpandeha iray niditra tao Andranovory, 76 km miala an’i Toliara ny saoferana taksiborosy ity, satria niala teny an-kebakeban-tany ilay lehilahy. Tsy nety nandoa ny sara-dalana nifanarahana anefa ity farany nilaza tsy nanana vola. Tsy nanaiky ilay mpamily sady tezitra no naka ny findain’ilay nanda ny volany natao antoka. Raikitra ny fifandonana avy eo, ary tsy nisalasala nampiasa ny antsy teny am-balahany ilay lehilahy nanda handoa saran-dalana nifanandrina taminy. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka ity farany avy eo, rehefa avy nanindrona ilay mpamily. Tafiditra tany anaty kirihitrala dia tsy hita intsony. Valalanina ny mpandeha rehetra.
Eric Man