Saika hampisy olana tamin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra mikarakara ny donia ao Nosy be ny fanakanana ny mpianatra tsy hampiasa kianja alohan’ny festival DONIA. Omaly dia nenjehin’ity tomponandraikitra ity tamin’ny fiara ireo mpianatra hitany nampiasa ny « stade » Ambodivoania, tao Nosy be. Niezaka nitsoaka ny mpianatra ary efa nisy torabato madinidinika nadeha tamin’izany, noho ny hatezerana. Nanontany ireo mpianatra hoe : an’iza ny « stade » ? An’ny Gasy sa an’ny teratany vahiny? Tsy sambany nisy izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny « Delegué de la jeunesse et des sports » ao Nosy be , fa efa nisy toy izany koa tamin’ny taona lasa. Tamin’io fotoana io dia nisy “police municipal” roa tonga teo ary niaro ity tomponandraikitra ity no nataony, ary nahalasa saina ilay mpampianatra. Niezaka nandamina ny mpampianatra ary nitondra ny mpianatra nivoaka. Tsy nisy mpianatra naratra na iray aza fa ny baolina kosa dia nentin’ilay tomponandraikitry ny DONIA, izay tratrany.
Efa niakatra amin’ny mpitondra ny fitarainana. Araka ny fanazavan’ilay mpampianatra taranja fanatanjahantena ity dia efa nanantona ny PDS, Prefet ary ny solombavambahoaka izy ireo nanao fitarainana. Omaly antoandro dia nisy ny dinika nataon’ireo mpitondra tao an-toerana momba ity raharaha ity. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny fepetra horaisin’izy ireo. Na izany aza dia tokony hisy ihany, satria efa nanao fahadisoana ihany ilay teratany vahiny nanenjika ny mpianatra tamin’ny fiara. Sa azo atao ihany koa izany amin’izao?
VJCL