- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Jiolahy miaraka amin’ny kalaky, nanafika tokantrano, olona iray voan’ny bala

Miarinarivo : Jiolahy miaraka amin’ny kalaky, nanafika tokantrano, olona iray voan’ny bala

Miha-mahazo vahana mihitsy tato ho ato izay ny asan-jiolahy any amin’iny faritra Miarinarivo iny. Ny faran’ny herinandro lasa teo, tokatrano telo indray no nasesin’ireo olon-dratsy mirongo fiadiana mahery vaika, toy ny basy kalaky, tao Sarovatra. Ary tsy vitan’izay fa mbola manao andiany marobe ihany koa ry zalahy, satria dia mahatratra any amin’ny 20 lahy any ho any no indray manafika. Tamin’ity indray mitoraka ity dia vola mitentina eo amin’ny telo tapitrisa mahery eo ho eo indray no lasan’izy ireo. Rangahy iray ao anatin’irony andri-masom-pokonolona, izay efa najoro tany an-toerana, irony no naratra mafy, voan’ny bala teo amin’ny feny. Araka ny tatitr’ireo mpitandro filaminana dia tany an-toerana dia vao avy nahavita ny asa ratsiny izy ireo dia nitsoaka. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nifanena tamin’ireo andri-masom-pokonolona izy ireo. Tsy nisalasala ireto farany nibahana ny fitsoahan-dry zalahy ka namely ireo jiolahy. Nisy tamin’ireo olon-dratsy no naratra vokatr’izany. Ho setrin’izany kosa anefa dia tsy nihambahamba nitifitra ny jiolahy ka io nahavoa an’io rangahy io. Tsiavihina fa vao tamin’ny heriny sabotsy lasa teo no nisy fanafihana mahery vaika tao Mandiavato, Miarinarivo, izay nahazoan’izy ireo volabe mitentina 45 tapitrisa mahery.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser