- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Famonoana vazaha, olona roa nampidirina am-ponja

Ambalavao : Famonoana vazaha, olona roa nampidirina am-ponja

Taorian’ny fahadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mikasika ny nahafaty ilay vazaha tompona hotely tany Ambalavao Tsienimparihy Fianarantsoa, fantatra izao fa anisan’ny voarohirohy tamin’izany ny olona roa akaiky azy. Rehefa niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo, dia nalefa vonjimaika any am-ponja.

Tamin’ny alarobia alina teo, no niseho ny famonoana ity lehilahy 58 toana ity. Vely famaky teo amin’ny lohany no nitarika ny fahafatesany, araka ny vaovao fantatra avy any an-toerana. Toy ny fanaony isaky ny alina, mivoaka ny trano mandeha mampijanona ny « groupe électrogène » mamatsy herinaratra ny tranony izy. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any no niseho ny famonoana. Tamin’io fotoana io indrindra no nisy nikapoka tamin’ny famaky nandarify ny lohany. Ny vaovao hatrany no nahalalana, fa ny vadiny no nahita azy efa nihosin-drà. Nikoropaka ny rehetra nitondra azy tany amin’ny trano fitsaboana. Tsy tana ihany anefa ny ainy. Raha vao niseho ny famonoana, dia nampandrenesina ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Nisokatra ny fanadihadiana avy eo. Izay antony namonoana azy tsy mbola fantatra mazava hatramin’izao.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser