Omaly alahady tokony ho tamin’ny 9 ora, mpiasan’ny JIRAMA nanao fanamboarana teny ambony pôtô, no maty main’ny herinaratra. Avy hatrany dia nihantona teny ambony teny ity olona ity. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa toa hoe tsy mbola vita tsara akory ny zavatra nataony no niverina tampoka ny « courant ». Avy hatrany dia noraisin’iny ilay lehilahy ary dia izay no nahafaty azy. Efa nisy filazana teny an-toerana fa ho tapaka ny jiro satria hisy fanamboarana atao eny, omaly manomboka ny maraina ka hatramin’ny hariva. Raha vao nanomboka kelikely anefa ny asa no izao niseho izao ny loza. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa teo am-pikirakirana ireo taribihy samy hafa ity lehilahy ity izao noraisin’ny « courant » izay voalaza fa mehery vaika tokoa, hita amin’ny sary. Avy hatrany dia noraisin’izany ilay mpiasa ary dia fantatra fa maty. Taitra ireo namany nahita ny fandehan-javatra ka nikoropaka. Tsy maintsy natao anefa aloha izay hanapahana ny herinaratra vao misy zavatra azo atao. Tetsy andaniny, nanomboka nitangorona ny mponina manodidina nizaha ny zavanisy ary nandeha teo ny resaka maro samihafa. Tsy fantatra aloha hatramin’izao ny nahatafaverina tampoka ny « courant » na avy amin’ireo mpiara-miasa ihany na avy any amin’ny loharanon’ny jiro tany amin’ny toeran-kafa. Tsy dia mateti-pitranaga ny loza sahala amin’izao, satria dia efa malina tsara avokoa ny mpiasa, indrindra amin’ny fanapahana ny herinaratra amin’ny fitaritana herinaratra mahery sahala itony, alohan’ny hiakarana pôtô rehefa hisy ny fanamboarana.
nangonin’i r.s.