- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndrononobe : Taolam-paty 102 hita tao anaty kirihitra

Andrononobe : Taolam-paty 102 hita tao anaty kirihitra

TAOLAMPATY-(1)Omaly alatsinainy no nahitan’ny olona taolam-paty tao anaty gony miisa roa, teny amin’ny fokontany Andrononobe, kaominina Ilafy. Tao anaty kirihitra ireto zavatra ireto, teo amin’ny toerana iray alohan’ny hidirana ny tananan’Ambohitrarahaba. Rehefa nojeren’ny tompon’andrikitra ka nisaina ireo taolana ireo dia nahatratra hatrany amin’ny 102. Araka ny voavao, olona nandalo no nahita ireo gony ary nidina nijery izay tao anatiny. Ankevitry ny nihevitra izy ireo fa zavatra hafa no tao. Rehefa nijery anefa ny lehilahy iray dia gaga fa taolam-paty no tao. Nanomboka nitangorona ny olona. Nisy ny nampandre ny tompon’andrikitry ny fokontany eny an-toerana. Tsy niandry ireo fa tonga nijery ifotony. Nampilaza teo no ho eo ny mpitandro filaminana avy ao Ankadikely sy ny tompon’andrikitry ny kaominina ry zareo. Nararaka tamin’ny tany avoaka ireo taolana ireo ary raikitra ny fanisana izany. Rehefa samy avy nahita ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny dia tapaka ny hevitra fa horaisin’iny kaominina ny andraikitra. Nitondra lamba ry zareo ary dia natao tao anatin’izany avokoa ireo taolona ireo. Ny kartie mobily teny an-toerana no niandraikitra ny famonosana ireo taolam-balo. Nisy kosa anefa ny fanamarihana avy amin’ny mpitazana fa tsy mba nanao aro tanana akory (gant) izy ireo nanao ny asany fa avy hatrany dia nikirakira ireo taolona. Araka ny filazan’ny lefitra voalohany ny ben’ny tanàna, Ravelonarivo Harimisa, dia hoentina halevina eny Manazary Ilafy ireto taolana ireto, satria eny no misy toerana azo asiana azy.

Maro ny resaka re teny an-toerana omaly ny amin’ny nahatonga ireo zavatra ireo teny Andrononobe. Raha mbola somebiseby teo ny rehetra dia nisy olona tonga koa nilaza fa misy taolana iray gony koa eny Ambohipanja, kamonina Ilafy ihany.

Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny niavian’ireo taolona ireo. Nisy ny fanamarihana natoan’ny lefitry ny ben’ny tanàna fa vao roa herinandro izao no nisy fasana vaky teny amin’ny faritra Ambohimanga sy Soamanadrariny. Tsy fantatra aloha na avy eny ireo taolana ireo na tsia. Fa ho an’ny sefo fokontany Andrononobe, fasana iray ihany no misy ao amin’io tanàna io. Rehefa nojeran’ny tompony anefa dia tsy vaky ilay izy.

Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ahafantarana marina hoe avy aiza ireto taolam-paty ireto. Taolana efa maina avokoa.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser