- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Andian’olona mively amin’ny hazo, maro ny naratra

Ivato : Andian’olona mively amin’ny hazo, maro ny naratra

Raiki-tahotra ireo mponina any amin’iny faritra Ivato sy ny manodidina iny amin’izao fotoana izao. Nandeha be mantsy ny feo tato ho ato izay, fa misy olona sa andian’olona midaroka amin’ny “bois rond” misy fantsika, ireo olona mandalo na mandeha ambony môtô, eny amin’ny manodidina. Ambaran’ny hafa  kosa indray fa, toa hoe olona adala izy io ary midaroka izay olona sendra azy. Raha ny loharanom-baovao azonay dia efa tafakatra am-polony maro ireo olona naratra vokatr’ity daroka “bois rond” ataon’olon-tsy fantatra ity, eny amin’iny faritra Ivato sy ny manodidina iny. Mandry tsy lavo loha araka izany ireo mponina, tsy sahy intsony mandeha amin’ny alina, tahotry ny hifanena amin’ity ireto olona mpively hazobe ireto. Raha nanontaniana mikasika ity resaka mandeha ity moa ny teo anivon’ny zandary, tompon’andraikitra eny amin’iny faritra iny dia nilaza mazava fa hatreto aloha, mbola tranga roa no voamarina, izay niseho ny alakamisy alina lasa teo. Olona roa no niharan’ny herisetra tamin’izay fotoana izay, izay samy naratra mafy avokoa, voa tamin’ny hatony. Nanambara ireto mpitandro filaminana ireto fa tsy vao izao akory no nandeha io feo fa efa hatramin’ny tapaky ny volana aprily tany ho any no efa niely. Nanomboka teo ny fisafoana isan’andro isan’andro ataon’ireo zandary eny amin’iny faritra iny, miaraka amin’ireo andri-masom-pokonolona eny an-toerana. “Miovaova ny ora fivoahan’ireo zandary mpanao fisafoana, entina hitandroana izay fandriampahalemana izay sy hikarohana ihany koa ireo olona mpanao herisetra ireo” hoy hatrany ny fanazavana. Mipetraka ary izany ny fanontaniana, iza ireto mpidaroka “bois rond” ireto, ary inona no tena tanjony hanaovany izany ? Raha voalazan’ireo mponina mantsy dia tsy maka n’inona amin’ireo izay voa fa toa faly fotsiny mandratra olona. Asa fampihorohoroana ve ? Efa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminana, hiverenan’ny filaminan-tsain’ireo mponina eny amin’iny faritra iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser