- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMausolée : Tsatok’antsy dimy nahafaty an’i Nanah, tovovavy 18 taona

Mausolée : Tsatok’antsy dimy nahafaty an’i Nanah, tovovavy 18 taona

Mpianatra ao amin’ny taona voalohany eo anivon’ny oniversite iray tsy mpiankina eto an-drenivohitra i Nanah,  hita faty tetsy akaikin’ny Mausolée, ny alin’ny alahady teo. Niainga tamin’ny filazana olona very teo anivon’ny kaomisaria boriborintany faharoa (Ambohijatovo ambony) ny fikarohana azy, raha araka ny vaovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Loharanom-baovao hafa indray no nahafantarana, fa nisy niantso izy handeha hijery fifaninana hazakazaka môtô. Nanomboka teo, dia tsy hita intsony raha tsy ny vatana mangatsiakany. Nezahana nantsoina hatrany ny findainy, saingy tsy nisy namaly. Tao anatin’ny fikarohana azy, no nisy nahita ny môtô nentiny. Natosika izy io no nisy nahatsikaritra. Mazava hoazy fa nanomboka teo dia efa nisy nitadidy ny tarehin’ilay tovolahy voarohirohy ho namono azy. Nitohy hatrany ny fanadihadiana ka tonga teny Ambolokandrina, tao an-tranon’ilay tovolahy. Hita niaraka taminy ny findain’i Nanah ary koa ilay môtô. Porofo mivaingana tamin’ny fanahiana ilay tovolahy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Nanah izany. Nanomboka teo dia efa notazonina tao Anosy izy ary nosokafana ny fanadihadiana azy. I Nanahy kosa dia tsatok’antsy dimy no hita teny amin’ny vatany tao amin’ny nanafenana azy tetsy amin’ny manodidina ny Mausolée. Halatra môtô sy finday ve no anton’ny namonoana ity tovovavy ity? Izay ny fijery voalohany saingy tsy mijanona eo ny fanadihadiana raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana hatrany. Raha ny fantatra, dia anio ny famerenana ny zava-nitranga (reconstitution des faits) momba ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser