- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimasina Betafo : Tafatsoaka ny jiolahy, polisy sy ny zandary indray no...

Ambohimasina Betafo : Tafatsoaka ny jiolahy, polisy sy ny zandary indray no nifampitifitra

Nitrangana fanakanan-dàlana mitam-piadiana, tao amin’ny kaominina Ambohimasina Betafo, ny marainan’ny alarobia 13 may  teo. Kamiao lehibe mpanangom-bokatra, no nisy nanakana tamin’ny vato be tao atsinanan’ny tetezana amoron’i Sakovy io maraina be io. Avy any Betafo ity kamiao ity, hihazo an’Ambohimasina izao nisy nanafika izao. Vantany vao nijanona ilay fiara be, dia nitifitra ireo jiolahy, nitondra polisy anefa ity fiara mpanangom-bokatra ity tamin’io andro io ka namaly avy hatrany  tamin’ny tifitra koa ity farany. Nitsoaka nandositra ireo jiolahy raha vao nahare ny valin-kafatra tamin’ny tifitra. Voalaza araka ny loharanom-baovavao fa, vola 150.000 ariary miampy finday no efa lasan’ireo jiolahy tany amin’ny mpamilin’ilay kamiao. Minitra vitsy taorian’ny fifampitifirina, nisy zandary telo lahy avy any Inanantonana nanatanteraka iraka nahare ny poa-basy ka tonga teo amin’ilay toerana. Mbola maizina anefa ny andro tamin’io ka tsy nifankahitana raha ny fanazavana, nisy andian’olona rahateo nivorivory toy ireny jiolahy ireny. Nanao tifi-danitra ny zandary nentina nanaparitahana ireo andian’olona ireo. Taitra ny polisy ka nihevitra fa ireo jiolahy indray no nanao tapody fohy. Raikitra teo ny fifampitifirana, vokany zandary iray no voatifitra teo amin’ny tànany sy ny feny. Tsikaritr’ireo zandary ihany fa hay polisy no mifampitifitra taminy, nisy zandary roa hafa rahateo efa tonga teo amin’ilay toerana nisian’ny fanafihana ka nifankahita ihany ny andaniny sy ny ankilany. Nandritra ny fifanjevoana dia voan’ny bala ihany koa ny lefitry ny ben’ny Tanàna ao Ambohimasina, raha ny fantatra dia nandalovan’ny bala ny faritry ny lohany ary voa mafy tokoa.

Feno diam-bala ilay kamiao raha ny fanazavana hatrany. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser