Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia karohina fatratra sy atao hazalambo amin’izao, ny roalahy lehibena andrimasom-pokonolona (Zamà) nirongo basy sy kiririoka naka an-keriny ombin’olona miisa 50, tao amin’ny kaominina ambanivohitry Tsianisiha, distrikan’i Toliara II. Taorian’ny fangalarana ireo omby ireo, dia mbola manohy ny asa ratsiny, ary mandrahona sy mampihorohoro vahoaka eran’ny tanàna ireto « Zama » niofo ho dahalo ireto. Noho ny tahotra ny ho faty. Tsy nisy intsony ny fiambenana nataon’ireo andrimasom-pokonolona mpikambana hafa, hoy ny vaovao voaray. Noho izany, tsy sahy mandeha irery intsony ny mponina any an-toerana, fa tsy maintsy miaraka maromaro, satria tsy misalasala manapoaka ny basy eny an-tànany ireto malaso, raha vao manohitra azy ny olona robainy. Raha ny loharanom-baovao hatrany efa nisy olon-tsotra maty. Marihana fa ny « Zamà », dia komity misahana ny fandriampahalemana ao anatin’ny fokontany, natao hiaro amin’ny halatr’omby sy hanohitra ireo dahalo mpanani-bohitra, nefa izy ireo indray ity no mandroba fananana sy mandatsak’aina. Vokatr’izany, mandry andriran’antsy sy miaina ao anaty horohoro tanteraka ny vahoaka.
Eric Man