- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : “Fandratrana amin’ny hazo, olona telo no fantatra fa naratra” hoy...

Ivato : “Fandratrana amin’ny hazo, olona telo no fantatra fa naratra” hoy ny zandary

Miteraka resabe, ary saika mampisavorovoro ireo mponina eny amin’iny faritra Ivato sy ny manodidina iny, ity resaka fandratrana olona amin’ny “bois rond” misy fantsika ity. Miakatra isan’andro mantsy, raha ny hita sy taratra monja ao anaty tambajotra sosialy, ny voalaza fa isan’ireo olona mitondra faisana amin’ity resaka fidarohana amin’ny hazo ity. Hatreto anefa, raha ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena misahana iny faritra iny, hatramin’ny alarobia 6 may lasa teo, dia olona telo, lehilahy roa ary vehivavy iray no fantatra fa niharan’izay daroka izay. Saingy tsy araka ny hiheveran’ny maro azy anefa. Fanendahana niharo herisetra no nahazo ilay vehivavy tao amin’ny kaominina Ivato Firaisana, raha toa kosa ka, azo heverina ho “reglement de compte” no nahazo ilay lehilahy iray mpiasan’ny kaominina, ny alakamisy alina. Ity farany mantsy dia teo am-pidirana ny vahavahadiny mihitsy no nisy nively tamin’ny hazo, raha ny fanazavana azo hatrany. Ny tranga farany dia ny asabotsy lasa teo, izay nisiana lehilahy iray hafa voavely. Ireo olona telo niharan’ny herisetra ireo anefa dia samy tsy nisy namoy ny ainy, raha ny nambara hatrany. Na misy anefa ity tranga ity na tsy misy dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary, tsy mandry andro tsy mandry alina, mitandro ny filaminan’ny tanàna. Nidina teny ifotony mihitsy aza, efa nanomboka ny herinandro teo ireo fanampina zandary, tarihin’ny Kômandàn’ny Kômpania “Imerina Central”, manara-maso akaiky, mivezivezy ary misafo ireo toerana mafana, ambara fa matetika hisian’ity trangana herisetra ity. Fa hatreto aloha dia mbola ireo tranga ireo ihany no eo am-pelan-tànan’izy ireo. Raha mikasika ilay feo mandeha, ny amin’ny resaka sorona sy fandatsahan-drà indray, izay ambaran’ny maro fa, antom-pisian’io tranga io dia nanamafy ireo mpitandro filaminana fa tsy misy velively izany. Asa fanakorontanana, tiana hampisavorovoroana saim-bahoaka ary ve ? Tsy hay intsony. Ny hany fantatra, dia efa manao ny asany ireo mpitandro filaminana ary nampanantena fa tsy ho ela dia hivoaka ny marina mikasika ity tranga ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser