- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Nanah : Vita ny famerenana ny zava-nitranga, resa-pitiavana no antony

Famonoana an’i Nanah : Vita ny famerenana ny zava-nitranga, resa-pitiavana no antony

Tsy niandry ela, fa ny alarobia teo ihany dia natao ny famerenana ny zava-nitranga mahakasika ny fomba namonoana an’i Nanah, 18 taona, mpianatra ao amin’ny taona voalohany eo anivon’ny Oniversite tsy miankina iray. Nentina niverina teny amin’ilay toerana i Fetra, 18 taona;  izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava ity. “Niala tao  amin’ny ray aman-dreniny izy ny alahady io tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro, nitondra môtô, nilaza fa ho eny amin’ny Marais Masay. Nanomboka teo dia tsy nody intsony. Nisahotaka ny fianakaviany, satria tsy fanaony izany miala mandry izany. Nandeha nametraka filazana fahaverezana teny amin’ny pôlisin’Ambohijatovo ny fianakaviany” raha araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy miandraikitra heloka bevava, ao amin’ny sampana fahefatra. Io loharanom-baovao io hatrany no nanazava fa, ny harivan’ny alatsinainy, tamin’ny dimy ora no nisy nahita teny amin’ny Fort – Duschene ny môtô an’i Nanah; izay nentin’ny tovolahy iray. Nifampizara vaovao teo ny fianakaviana sy ny pôlisy ka tonga tamin’ny fisamborana an’i Fetra. “Rehefa nohadihadiana ilay tovolahy dia nanoro ny toerana misy ny fatin’i Nanah, 30 metatra avaratry ny fiantsonan’ny fiarakodia eny amin’ny Mausolée. Dian’antsy dimy no hita teo amin’ny tendany havanana ary mitana antsy ny tànany havia. Niaiky ilay tovolahy fa, izy no namono azy. Ny antony dia nampisaraka azy tamin’ny sipany hono ity tovovavy ity, satria nitantara tany amin’ny sipany hoe mampirafy izy” raha araka ny fanazavan’ny pôlisy hatrany. Nalain’i Fetra ny môtô scooter sy ny finday teny amin’i Nanah. Namidiny ilay finday, raha notazoniny kosa ilay môtô; izay notsiriritiny hatry ny ela. Tsy vitan’ny notsindronina antsy ity tovovavy ity, fa mbola nohitsahina teo amin’ny lohany ihany koa mba nanalana tanteraka ny ainy. Izy roa anefa raha ny filazan’ny pôlisy hatrany, dia efa mpinamana hatramin’ny fahakeliny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser