Nanomboka tamin’ny alahady faha-10 may teo no tsy hita izay nalehan’ny mpanampy an-trano iray antsoina hoe Stella, tao amina fianakaviana mipetraka eny Ambohitsoa Androndra. Tsy hita niaraka taminy ihany koa ny « collier » volamena napetraka teo ambony « coiffeuse », ny fitafian-janany vitsitsy, ary vola mitentina 500 000 ariary tao an-trano. Araka ny filazan’ireo mpampiasa, ireo aloha no fantatra fa very. Tamin’ny alahady tsy nahitana ilay mpanampy, tamin’ny 7 ora hariva ilay fianakaviana no niverina avy tany amin’ny nalehany. Akory ny hatairany fa tsy hita intsony i Stella. Nanontany ny tompon’ny trano hipetrahana ry zareo. Nilaza ireo fa nahita olona roa, vavy sy lahy, niditra tao an-tranony. Nivoaka niaraka tamin’ilay mpanampy izy ireo tokony ho tamin’ny 6 ora ary nitondra entana. Ny filazan’ireo niharan’ny halatra hatrany no nahalalana fa tsy nihidy ny varavarana. Napetraka tao amin’ny fitoerana fametrahana azy ny lakile. Rehefa niditra ny trano izy mianakavy dia nahamarika fa efa vita avokoa ny raharaha rehetra fanoan’ilay ankizivavy hariva : masaka ny vary, naka ronono, nampirina ny efitran’izy lehibe, nanary fako. Ny efitrano fatorian’ny ankizy kosa no nikorotana be. Taorian’izany no nahafantarana ny fahaverezan’ireo zavatra voalaza etsy ambony.
Hatramin’izao, tsy mbola hita ny misy an’ilay mpanampy. Efa nametraka fitoriana tany amin’ny polisy ao amin’ny boriborintany faharoa ireo fiankavaina ireto. Miangavy an’izay rehetra afaka manome vaovao mikasika ity zavatra ity izy ireo mba hampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany.
r.s.