- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFaradofay : May kila firehitra ny bengalow Le Port Gina Village

Faradofay : May kila firehitra ny bengalow Le Port Gina Village

Bengalow  6 tamin’ireo 8 no kila tanteraka, vokatry ny hain-trano tsy nampoizina, tany Faradofay, ny Alakamisy teo. Araka ny fanadihadiana, dia vokatry ny “court circuit” tamin’ny trano iray no niantombohan’ny afo ,niitatra ka nahamay ireo trano sisa.Tamin’ireo trano 8 (bengalow),roa ihany no voavonjy.Tao anatin’ny indray mipi-maso, kila firehitra avokoa ireo entana na niezaka namoaka ireo fitaovana sy ireo fanaka  tany amin’ny efitrano aza ireo mpiasa sy  fokonolona. Entana miteti-bidy an-tapitrisany maro no lasa lavenona. Na izany nisy ireo entana tany amin’ireo trano may no avotra soa aman-tsara. Maro ireo saika hanararaotra  hangalatra, saingy  mbola mazava ny tolakandron’ny alakamisy no nisehoan’ny loza.Tsy nisy ny aina nafoy. Zava-nisy,  nihetsika avokoa ireo “pompiers” rehetra nisy tao an-tanàna (sambasamba): riotinto Qmm-Adema-Kominy , samy niezaka namono ny afo avokoa. Ity fahamaizan’ny Le Port Gina Village ity, no nisantarana ny asan’ireo ‘pompier Protection civile’ azo tamin’ny frantsay.  Marihana fa, ity Le Port Gina Village ity dia Rtoa Viviane Dewa Zafinandro no tompony amin’izao fotoana izao, rehefa nifanaraka tamin’ny tompony teo aloha. Fahavoazana lehibe hoan’ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana ity  hain-trano ity.

RFa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser