- Publicité -
jeudi, septembre 17, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbato-Boeny : Hatolotra ny fampanoavana anio ireo sekta mpanolana

Ambato-Boeny : Hatolotra ny fampanoavana anio ireo sekta mpanolana

Anio no hentina eo anivon’ny fampanoavana ao Maevatanana, ireo mpikamban’ny fiangonana sekta jiosy iray ao Ambato-Boeny. Isan’izany ilay ramatoa mpitarika an’io finoana io. Fanolanana no anton’ny fitoriana izay napetraky ny ray aman-drenin’ireo zaza ka nanokafan’ny pôlisy tao an-toerana fanadihadiana. Mbola misy ny karohina mahakasika an’ity raharaha ity, tsy iza fa ireo mpikambana hafa an’ity fiangonana sekta ity hatrany izany. Ireo dia nitsoaka tao an-toerana avy hatrany rehefa nandre ny fisamborana ireo namany. Tsy vitan’ny voaolana, fa mbola voan’ny aretina mifindra avy amin’ny firaisana ara-nofo ihany koa ireo zazavavy. Hitodika any amin’ny fampanoavana ao Maevatanana anio ny mason’ny mpanara-baovao…

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser