- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilFaits-DiversAmbatobe : Taxi-be193 nirehitra, may kila hotohoto

Ambatobe : Taxi-be193 nirehitra, may kila hotohoto

Nisahotaka ny olona. Nijoalajoala izay tsy izy mantsy ny afo teny amin’iny lalana hiakatra ho any Ambatobe, avy any Nanisana iny, omaly hariva tokony ho tamin’ny 7ora sy fahefany tany ho any. Fiara iray, taxibe mampitohy an’Analakely sy  Ambatobe, no nirehitra raha iny handeha hody iny. Avy aty aorian’ny fiara no nitrangan’ny lela afo voalohany, raha ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy izay tonga haingana teny an-toerana, narahin’ny mpamonjy voina avy eo. Mbola nandeha izy io ary dia niparitaka eran’ny arabe ny solika mahamay ka nitaritarika afo, toy ireny anaty horonantsary ireny. Na izany aza anefa, tsy nisy aina nafoy na ny olona naratra vokatr’izay fahamaizana izay. Tsy nisy noraisina intsony kosa ny amin’ity taxibe ity. Nampisahotaka ny olona teny an-toerana ny afo nidorehitra vokatr’ity fahamaizana ity, hany ka nifamahofaho be ihany ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Nambaran’ny sasany mantsy fa toa hoe mbola nisy mpandeha tao anatin’ilay taxibe, izay niolomay nivoaka sy nitsambikina ny fiara avokoa, raha vao nanomboka nidonaka fotsiny ilay fiara. Ny loharanom-baovao avy amin’ireo pôlisy  no nahafantarana fa taxibe handeha hamonjy fodiana izy ity, ary tsy nisy afa-tsy ny mpamily sy mpanampy azy irery ihany no tao anatiny, izay samy tsy nisy naninona. Tetsy andanin’izay, nilaza ireto farany fa “court-circuit” no nahatonga ny loza. Korontam-by midonak’afo sisa no navelan’ny afo, izay voavonon’ireo mpamonjy voina tao anatin’ny fotoana fohy. Tsy nisy azo noraisina kosa ireo zavatra rehetra tao anaty fiara. Anisan’izany ny taratasy rehetra momba ny fiara, raha ny vaovao azo. Fantatra ihany, raha araka ny re teny an-toerana hatrany, fa toa hoe fiara vao avy namboarina izy ity, kanjo izao niharan-doza izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser