- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Mpanendaka iray voasambotra

Tsiadana : Mpanendaka iray voasambotra

Tsy mifidy ora ny mpanendaka amin’izao fotoana izao. Ny faha-15 may teo, tamin’ny 9 ora maraina, lehilahy iray no fantatra fa nisy nanendaka teny amin’ny faritr’i Tsiadana. Roalahy no nibeda azy ary very ny telefonina lafo vidy sy ny vola 40 000 Ar. Naintso vonjy ity raim-pianakaviana ity. Raikitra ny fanenjehana an’ireo olon-dratsy. Tratra ny iray fa tafaporitsaka kosa ny faharoa. Ilay voasambotra, naterin’ny olona tany amin’ny biraon’ny polisy teny Ambohijatovo. Rehefa nohadihadiana izy dia nilaza fa ny namany antsoina hoe Rasta no tena nanendaka fa tsy izy. Mbola karohina moa io olona io amin’izao fotoana izao. Manamarika ny vaovao fa efa nigadra telo volana teny Antanimora ity voasambotra ity. Natolotra ny fitsarana, omaly, ity voasambotra ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser