- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny Karàna : Nisy nanaparitaka vola sandoka 10 000Ar

Fasan’ny Karàna : Nisy nanaparitaka vola sandoka 10 000Ar

VOLANandeha ny feo fa misy olona manaparitaka vola sandoka eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse eny amin’ny Fasan’ny Karàna. Nahafantatra izany ny polisy ka dia nidina teny an-toerana. Natao ny vela-pandrika ka tratra tamin’izany ny lehilahy iray. Teo amin’ny fotoana nividianany zavatra teny Ankadimbahoaka no sarona ny zavatra nataony. R. Noely no anarany ary 35 taona izy. Vola sandoka 10 000 ariary no teny aminy. Rehefa nosavana izy taorian’ny nisamborana azy dia mbola nahitana vola tsy izy miisa 23 tany aminy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nilaza ity olona ity fa avy any Ambatolampy no nahazoany ireo vola ireo. Nivarotra bisikileta izy ka lehilahy iray no nanome azy ireo vola ireo. Tsy niandry fa nandeha tany Ambatolampy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny « Sécurité Urbaine de Tananarive » – SUT. Nosamborina tamin’izany ny lehilahy iray antsoina hoe Edouard, 43 taona mpanamboatra bisikileta. Izy moa no notondroan’ilay nanaparitaka fa nanome azy ny vola. Tsy nijanona teo ny asan’ny polisy fa mbola mikaroka an’ilay na ireo tena atidoha amin’ny fanamboarana vola sandoka ry zareo.

Tamin’ny valandresaka nataon’ny polisy avy ao Tsaralalana no nahafantarana izany vaovao izany, omaly. Voalaza fa nanaparitaka vola sandoka izy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana eny Anosy ireto olona roa ireto. Ny komisera Razafimanantena Harivelo Ralaimongo no nitarika izany resadresaka tamin’ny mpanao gazety izany. Izy no lehiben’ny SUT amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser