- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilFaits-DiversIvato : Fidarohana olona amin’ny kibay, eny Antanimora ilay lehilahy voarohirohy

Ivato : Fidarohana olona amin’ny kibay, eny Antanimora ilay lehilahy voarohirohy

Hatreto dia mbola mitana ny sain’ny maro hatrany ity tranga, nampisahotaka ny mponin’Ivato ity. Tsy ny eny ihany anefa fa ireo olona rehetra saika handeha eny amin’iny faritra iny, saingy matahotra ny ho voavely kibay amin’ny tsy antony, raha sendra tratra alina. Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy no nalaza ratsy ity vely kibay ity. Teo anatrehan’izay dia tsy nipetra-potsiny mihitsy ireo zandary sy tompon’andraikitry ny filaminana ary ny fokonolona teny amin’iny faritra iny, niezaka nanadihady ny amin’ity tranga ity. Vokatr’izay indrindra, ny sabotsy lasa teo, tovolahy iray no nentin’ny fokonolona tao amin’ny biraon’ny zandary, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ireo iray tamin’ireo tranga izay nandratrana lehilahy iray teny ambony môtô. Omaly ihany dia natolotra ny fitsaràna teny Anosy ity tovolahy ity. Ka taorian’ny fanadihadian’ireo mpitsara mpanao famotorana dia nampidirina am-ponja vonjimaika aloha ralehilahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha ny fantatra mantsy dia nanambara ilay olona voa tamin’io fotoana io fa io lehilahy io mihitsy no nidaroka azy. Raha mikasika ity tranga nisarika ny sain’ny daholobe ity, dia mbola an-dalana tanteraka amin’ny fanaovana fanadihadiana ireo mpitandro ny filaminana, eny fa na dia hoe teo aza ny nisian’io olona iray notanana am-ponja io. Ary tsy mitsahatra izy ireo, miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ireo fokonolona, misafo sy mivezivezy, mitandro ny filaminana. Hatreto tokoa mantsy dia mbola mijanona ho resaka honohono sy resabe ihany ny fisian’ireo olona marobe voalaza fa niharan’izay herisetra niharo famonoana izay. Dia mbola mipetraka ny fanontaniana : tranga iray nisy fa nitarina ve, mba hoentina hampisavorovoroana sy hanakorontanana ny vahoaka ?  Tsy fantatra aloha. Fa na izany na tsy izany dia nisy ny hetsika sy filaharam-be nataon’ireo mponina teny Ivato, entina hanoherana sy hanajanonana ilay trangana herisetra voalaza fa misy eny an-toerana, ny sabotsy lasa teo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser