Daroka no nihatra tamin’ ankizivavy iray, raha mba nangataka ny handoavana ny karamany 30.000 ar.Tsy vitan’ny hoe nanaovana herisetra ilay kalakely, fa mbola notoriny tany amin’ny polisy fa hoe nanao ny fihetsika mamoafady taminy. Ny nitakiana an’izany no tsy levon’ny vavonin’ilay ramatoa ka niteraka izay herisetra . Amin’ny ankapobeny dia karama tsy mifanaraka amin’ny asan’ilay zaza . Ankoatra izay mbola nampiasa zaza tsy ampy taona ihany koa. Raha ny marina dia ilay ramatoa no tokony hotorina noho izy tsy manaja lalàna izay mbola nanao herisetra ihany koa tamin’ilay kalakely. Efa nandalo mpitandro ny filaminana ny raharaha ary efa tody any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana. Ny tranga toy izany anisan’ny tokony hanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana akaiky. Matetika dia ireo manao ny hadisoana no manana ny marina rehefa tonga any amin’ny mpitandro ny filaminana ka hatrany amin’ny fitsarana. Mbola mila fanaraha-maso ny fiainan’ny mponina mijaly, tsy manan-katokona, hialana amin’ny fanamparam-pahefana mateti-pitranga.
Rfa