- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Ankizy mahery ny 200 matin’ny tazomoka « Fanompoa »

Sakaraha : Ankizy mahery ny 200 matin’ny tazomoka « Fanompoa »

Ankizy mahery ny 200 ankehitriny, no matin’ny aretina tazomoka mahery ao amin’ny kaominina ambanivohitry Miara Miralila any amin’ny distrikan’i Sakaraha. Tao anatin’ny dimy volana no tena nirongatra ny aretina, ka ireo tanàna amoron-drano na toerana misy  rano mihandrona no tena lasibatra, betsaka ankizy namoy ny ainy. Tao anatin’ny roa andro monja, ankizy 45 no maty tao Miara Miralila.
Tsy mbola nahazoana tarehimarika matotra sy mazava kosa ny amin’ireo tanàna sy kaominina hafa any amin’ny distrikan’i Sakaraha, raha ny vaovao voaray avy tany an-toerana. Noho ny fomban-tany sy ny honohono fa aretin-dolo (angatra) no mahatonga  aretina mandripaka ankizy ity, antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : « Fanompoa ». Mamonjy ombiasy ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny manana zanaka marary na manao dokotera tena manome « paracétamol » ny zanany.

Tara fandraisana andraikitra ny fanjakana. « Efa mihombo sarotra sitrany ny aretina vao mamonjy tobim-pahasalamana ny olona. Io no mahabetsaka ny maty », hoy ny mpitsabo iray ao Sakaraha, azo an-telefaonina. Raha ny loharanom-baovao mbola mandripaka ary mamono olona hatramin’izao ny tazomahery amin’iny tapan’ny Avaratry Toliara iny (Milenaka, Ankililoaka ka hatrany amin’ny distrikan’i Morombe). Tara ny fandraisana andraikitry ny fanjakana. Ny mponina miantehitra amin’ny fomban-tany. Ny dahalo mandravarava fananana sy mamono. Mirarakompana ny faty, valalanina ny vahoaka tototry ny krizim-piainana.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser