Firy andro monja taorian’ny nisian’ny fanafihana andian-jiolahy, niisa teo amin’ny 15 lahy, mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny kalaky, tetsy Ambolonkandrina, dia nisehoana fanafihana mitovy tsy misy valaka amin’izay ihany koa tetsy Andrefan’i Mananjara, Anosibe, ny alatsinainy alina lasa teo. 15 lahy, mirogo basy kalaky no indray tonga tao amina mpivarotra mpamongady iray teny an-toerana. Vokany, lehilahy iray, raim-pianakaviana tao amin’ity toerana ity no niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy. Voa teo amin’ny fony ary maty tsy tra-drano. Vola mahery ny roa tapitrisa ariary teo ho eo, miampy entana maro isan-karazany no lasan’ireto jiolahy mitam-piadiana ireto. Araka ny fampitam-baovao azo, tokony ho tany ho any amin’ny 12 ora alina tany no nitranga ity fanafihana ity. Tamin’ny alàlan’ny fanaovana amboletra ny varavarana no nidiran’ireto andian-jiolahy marobe tao amin’ity tokantrano ity. Nihorohoro rahateo ihany koa ireo mponina teo amin’ny manodidina, satria dia nirefodrefotra ny basy teny an-toerana. Tsy nisalasala ihany koa ireto tsy mataho-tody nampitodika ny vava basiny tao an-trano ka nahavoa ilay tompon-trano. Fantatra ihany koa ,fa vehivavy iray tao amin’ity mpivarotra ity no naratra mafy, voadaroka teo am-pitakian’ireo jiolahy ny vola tao amin’izy ireo. Raha ny fanazavana azo ihany koa dia saika ny antsasak’ireto olon-dratsy ireto dia nanana basy mahery vaika avokoa ary misaron-tava ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Nanam-potoana ary nanararaotra mihitsy ireto olon-dratsy ireto. Vitany izay nataony, lasa izy ireo, izay vao afaka niantso mpitandro filaminana sy namonjy ireo maratra ny mponina. Efa mandeha araka izany ny fanadihadiana sy fikarohana ireo jiolahy. Fifanandrifian-javatra ihany ve, telo andro katroka talohan’izay no nisian’ny fanafihana tetsy Ambolonkandrina, 15 lahy ihany koa izy ireo, miaraka amin’ny kalaky. Mbola fanontaniana mipetraka ny hoe avy aiza ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto ? Ny feo mandeha aza dia toa hoe misy tamin’ireo jiolahy no nitondra “fusil à pompe” izay ireo mpitandro filaminana voahofana manokana ihany no manana izany eto amintsika. Tsy misy afa-tsy ny valin’ny fanadihadiana angamba no afaka mamaly izany, kanefa mety ho afaka firy andro, firy volana sa firy taona …
m.L