- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversEEM - Sta Simona sy Sta Joda Malaza Avaradrano : Vokatra ho...

EEM – Sta Simona sy Sta Joda Malaza Avaradrano : Vokatra ho an’ny fanitarana

Ny Komitin’ny Fiangonana EEM Malaza Avaradrano sy ny Fikambanan’ny Zanaka am-pielezana dia manasa antsika Kristiana rehetra ho tonga hiara-kiombom-bavaka any an-tanindrazana ny alahadin’ny Pentekosta, 24 mey 2015. Ny fotoam-pivavahana dia hanomboka amin’ny 9 ora maraina izay hanaovana ny fanateram-bokatra,  ho fanohanana ny fanitarana atao eny an-toerana arahin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Araka ny mahazatra dia misy ny sakafo efa voaomana amin’izany. Misy ny fiara hiombonana izay horaisina eny amin’ny Soloprix, ka amin’ny 7 ora sy sasany maraina ny fiaingana fara-fahatarany.

« Ny manome am-pifaliana no tian’Andriamanitra ». Aoka hifampilaza.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser