Ny alin’ny alakamisy teo, tonga nandroba tao amin’ny trano iray eny Maibahoaka Ivato ny andian-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana toy ny sabatra sy antsy maranitra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nihanika tamboho izy ireo. Tamin’izay indrindra anefa no tazan’ny mpiambina, 40 taona, izay voalaza fa tena tomady tokoa. Na dia maro aza ireo mpangalatra dia sahy nifanandrina tamin’izany ilay mpiambina. Naharitra elaela ihany ny fifandonana teo. Farany anefa, sendra ny be noho ny vitsy ka resy ihany ny anao lahy. Notsindronin’ny jiolahy sabatra tao amin’ny lamosina mantsy izy. Tafatsofoka lalindalina ihany ilay zava-maranitra. Tonga dia nijininika ny rà. Nisy nahare izany ady teo amin’ny roa tonta ka nisy niantso vonjy. Nivoaka ny olona. Raha nahita izany ireo bandy dia lasa nandositra. Raikitra ny fifanenjehana. Nisy iray nitaraikiraiky ka tratran’ny olona teny an-dalana. Avy hatrany dia voadaroka ilay izy ary tsy namelan’ny olona raha tsy nalemilemy. Taorian’izay vao naterina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana.
Ilay mpiambina kosa, noho ny ratra nahazo azy dia nalefa any amin’ny trano fitsaboana.
r.s.