- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mpivarotra voatsatoka antsy, lasa ny Ar.iray tapitrisa

Behoririka : Mpivarotra voatsatoka antsy, lasa ny Ar.iray tapitrisa

Sady vaventy no lava ilay lehilahy manodidina ny 30 taona, saingy mbola sahin’ireo mpanendaka natao lasibatra ihany hatrany. Ny zoma teo, mbola tsy alina tsara akory ny andro, manodidina ny tamin’ny fito ora, raha nandalo teo ambany tetezan’i Behoririka izy ka nanajanona ny môtô scooter nentiny ka nivalan-drano teo amin’ny sisin-dàlana, dia nisy telolahy nanatona avy hatrany ary nanambana antsy. Tsy vitan’izany fa sady manatsatoka tsikelikely ireo zava-maranitra ihany ireo olon-dratsy mba handrahonana ilay olona endahina. Efa nomena azy ireo ny vola rehetra nisy teny amin’ilay lehilahy, nitentina maherin’ny iray tapitrisa ariary izany, raha araka ny fanazavan’ny voaendaka. « Vola maty indray andro tao amin’ny tsenan’Andravoahangy, nivarotako, no lasan’ireo jiolahy. Nisy tao anatin’ireny ‘sac banane’ ireny ary nisy ihany koa ny tao amin’ny paosiko ariana. Sady manatsatoka antsy tsimoramora ny tenako izy ireo no manendaka. Efa nohazavaiko fa efa lasan’izy ireo avokoa ny vola tety amiko ka mba mangataka aho ny hamerenana ny ‘porte-monnaie’ izay nisy izany, satria nisy ny taratasy momba ahy. Daroka sy tsindrona antsy no valin’izany. » raha araka ny fanazavan’ny voaendaka izay nentina teny amin’ny hopitaly. Koa satria teo amin’ny manodidina ny fony ilay zava-maranitra no natsatok’ireo olon-dratsy tsikelikely, tapa-kevitra ilay lehilahy ny nandray ny lelan’ilay antsibe tamin’ny felan-tanany ka nanilika an’izany, mba ho fiarovana ny ainy. Tataka tanteraka araka izany ny tanany ary nanomboka teo izy no nitsoaka niantso vonjy, saingy tsy nisy nanavotra…toa ny mahazatra. Nokasain’ireo mpanendaka halaina ihany koa ny fanalahidin’ilay môtô saingy mba tsy azony izany rehefa nitsoaka ilay lehilahy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser