- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadivato : Mpiasan’ny Jirama naiditra am-ponja

Ankadivato : Mpiasan’ny Jirama naiditra am-ponja

« Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny governemanta ny 100 andro izay hanarenana ny Jirama. Nisy ny fananganana ny vondrona « task force » izay hiarahan’io orinasam-panjakana io amin’ny Bianco sy ny ministera samihafa. « Isan’ny natao ny fitsikilovana ny kartien’Ankadivato ka nahitàna mpanjifa iray nangalatra herinaratra. Nisy rahateo ny vadintany nijery ifotony izany. Nivadika anefa ny rasa, satria sendra ny olona mahitahita ilay mpanjifa. Ny olonay indray no nadoboka am-ponja ny zoma lasa teo, kanefa dia tsy nanao afa-tsy ny nanatontosa ny asany ». Io no fanazavan’i Oliva  Andrianalimanana,  solon-tenan’ny Intersyndical eo anivon’ny Jirama. Indroa miantaona ny fanadihadian’ny zandary teny Betongolo ilay mpiasa eo anivon’ny Jirama sy ny ekipany. Nahemotra intelo ihany koa ny fanolorana teny amin’ny fampanoavana ny raharaha, ka ny zoma teo no nanapa-kevitra ny mpitsara ny nampidirana am-ponja ilay mpiasan’ny Jirama, raha araka ny loharanom-baovao mitovy. Manao antso avo io farany manoloana io lazainy fa tsy rariny io. Manentana ihany koa izy, ho an’ny mpanjifa, mba hiara-mientana amin’ny fanarenana ny Jirama. Izany dia avy amin’ny fanamorana ny asan’ny mpiasa sy ny fampilazàna eny amin’ny birao raha sendra misy ahiahiana amin’ny halatra herinaratra sy mpisandoka ho mpiasa.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser