Tamin’ny herinandro teo, ny 22 may, nahazo antso ny polisy fa misy olona manana fitaovam-piadina mahery vaika sy mivarotra rongony eny amin’ny faritra Anosibe Angarangarana eny. Tsy niandry ny avy ao amin’ny BC , fa nidina avy hatrany teny an-toerana rehefa avy nahazo fahazoan-dalana hisava trano tany amin’ny Fitsarana. Tratra tamin’izany ny rongony milanja 9,8 kg. Olona hatrany amin’ny folo no indray nosamborina tamin’izany ka anisany ny tompon’ny trano, dia vehivavy iray malaza amin’ny fivarotana rongony sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Rehefa nofotorana izy ireo, dia nilaza fa avy any Betroka ireo rongony ireo ary isaky ny telo volana no tonga aty andrenivohitra. Tsy nahasaronana basy kosa anefa tao amin’ilay toerana. Rehefa nandeha ny famotorana, dia nilaza ireto olona ireto fa efa ho telo taona izao no nivarotany rongony, fa izao izy ireo vao sarona. Omaly no natolotra ny fitsarana izy rehetra ireo.
Nangonin’i r.s.