#- Tanjombato : Renim-pianakaviana tratra nanary ny zanany 5 volana tao Ikopa. Mampihoron-koditra ny niseho teny Tanjombato omaly. Renim-pianakaviana 48 taona iray,no tratran’ny olona sy nambara ho namono ny zanany vao 5 volana monja tao Ikopa. Araka ny filazan’ireo mponina hatrany, rehefa avy namono ity tsy manan-tsiny ity vehivavy, dia napetrany teo amoron’Ikopa ny vatana mangatsiakany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zavamisy sy nisambotra ity ramatoa ity.
Nangonin’i m.L