- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndrefan’Ambohijanahary : Andiana tovolahy mitondra « bois rond » mampihorohoro ny mponina

Andrefan’Ambohijanahary : Andiana tovolahy mitondra « bois rond » mampihorohoro ny mponina

Zavamisy ve sa tena natao hanakorontana ny mponina fotsiny ? Tsy nijanona teny amin’iny faritra Ivato iny intsony mantsy ity resaka herisetra amin’ny « bois rond » misy fantsika ity, fa efa tonga hatraty an-drenivohitra. Ny alatsinain’ny pantekôty  teo, raha mbola revo dia revo amin’ny fikenonkenonana handeha hitsangantsangana ny olona ka somebiseby eran’ny làlana, teny amin’iny faritra Andrefan’Ambohijanahary iny, andiana tovolahy maromaro kosa no mivezivezy eran’ny tanàna. Tovolahy manodidina ny 20 taona teo ho eo avokoa izy rehetra, raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana. Manao irony karazana akanjo misy saron-doha irony ry zareo ireo ary saika mitovy avokoa ny akanjo nanaovany, raha ny fanazavana azo hatrany. Ary ny nampatahotra ny rehetra, dia teny an-tànan-dry zalahy tsirairay ireto no nahitana ilay karazana « bois rond » na « matraque » misy voaravaka zava-maranitra, toy ireny fahita amin’ny horonantsary ireny. Nanodidina ny tany amin’ny folo ora tany ho any izy ireo no nihaodihaody teny an-toerana, raha ny fantatra, ka nampatahotra sy niteraka savorovoro teo amin’ireo mponina. Na dia teo aza anefa izany, hatreto raha ny vaovao azo dia mba tsy nisy ny niharan’ny herisetra. Raha tsiahivina tokoa, dia ny herinandro lasa teo, no nisy andiana tovolahy, mitovy tsy misy valaka amin’ireto teny Andrefan’Ambohijanahary ireto, nihaodihaody ihany koa teny amin’iny faritra Ambondrona iny. Tamin’io fotoana io dia fantatra fa nisy ny olona, mpandalo sy mpiantsena tamin’iny toerana iny, naratra, voavely tamin’ity vatan-kazo ity, izay nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser