Jiolahy voalaza fa anisan’ny raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana no voasambotry ny polisy teny Anosipatrana ny alatsinainy teo. Mpikambana ao antin’ny andian-jiolahy manana fitaovam-piadina maherivaika izy io, hoy ny vaovao voaray. Tamin’ny volana martsa tamin’ity taona ity, efa nisy namany miisa enina tratra fa izy kosa tafaporitsaka. Maro ny fanafihana efa nataony, hoy hatrany ny vaovao, ka anisan’izany ilay teny Ambilanibe nahaverezana vola 20 tapitrisa arairy. Raha misy fanafihana dia voatonona hatrany ny anarany, antsoina hoe Rado. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy.
r.s.