- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Roa maty, omby 30 sy basy revolver roa ana...

Toliara II : Roa maty, omby 30 sy basy revolver roa ana lehiban-dahalo azo

Nafotaka ny fifandonana teo amin’ny Zandary nampian’ireo Jamà 23 avy any Ankililoaka , hamaly faty ny naman’izy ireo efatra novonoin’ireo dahalo ekipan’ny Deba (Rafesy) sy ireo malaso 60 lahy mirongo basy mahery vaika (Kalachnikov 11, grenade offensive  sy défensive 6 avy), afak’omaly alarobia, tao amin’ny kaominina ambanivohitry Maromiandra, distrikan’i Toliara II. Tsy nanaiky nilavo lefona mora ireo dahalo mpangalatra omby sy mpamono olona, fa nampiasa ny fitaovam-piadiany mahery vaika. Nanomboka tao amin’ny fokontany Ambohimahasoa tamin’ny valo ora naraina ny fifampitifirana, nitohy tao Andranoboka izay tanàna misy an’i Deba lehiben-dahalo ary nifarana tao amin’ny fokontany Ankarandoha ny fifandonana. Nitifitra tamin’ny « grenade FLG » ny mpitandro filaminana, avy eo narahina tifitra variraraka tamin’ny bala mamoaka afo, ka nitsoaka ireo dahalo.

Deba lehiben-dahalo, zandrina ben’ny tanàna. Trano 30 tafo mahery fonenan’ireo malaso may kila firehitra, dahalo iray maty voatifitra, raha telo azo sambo-belona. Jamà mpanara-dia iray kosa lavon’ny balan’ny malaso, raha telo hafa naratra mafy. Omby halatra 30, basy « revolver » roa niampy fanamiana mpitandro filaminana sarona tao an-tranon’i Deba. « Tsy hijanona ny fampandrian-tany ataonay raha tsy voasambotra  Rafesy lehiben-dahalo zandrin‘ny ben’ny tanànan’i Maromiandra », hoy ny Chef d’Escadron Tsiketa Janvier Parfait, Commandant de Compagnie Toliara, nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly tao amin’ny birao fiasany.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser