- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Tanàna telo nasesin’ny dahalo, maty voatifitra sy nokapaina famaky ny...

Mandoto : Tanàna telo nasesin’ny dahalo, maty voatifitra sy nokapaina famaky ny tompon’omby

Tanàna telo be izao no indray nasesin’ny dahalo notafihana, tao amin’ny distrikan’i Mandoto, ny Talata lasa teo. Voalohany ny tao amin’ny kaominina Bekiona, manao andiany maro hatrany ireo dahalo rehefa manao fanafihana, mahery vaika rahateo ny fitaovam-piadiany ka dia atody miady amam-bato ny fokonolona. Tompon’omby iray no niharan’ny herisetran’ireo dahalo tao amin’io kaominina io, tsy nitsisy ireo malaso fa avy hatrany dia notifiriny ny tompon’omby ary nokapainy  famaky ny lohany, maty tsy tra-drano moa ity rangahy ity  vokatr’izany. Nigalabona ry zalahy nandroaka ny omby tao an-tanàna ka omby 13 no very tao. Ankoatra izay dia noraofin’dry zalahy ihany koa ny vola tao am-pivarotana, fantatra mantsy fa mpivarotra koa ity fianakaviana ity.  Tsy nitsahatra hatreo fa nanohy ny fanafihana ry zalahy ka tao Ambatolahimaro indray no niditra. Omby 4 no azon’ireo dahalo tao amin’ity Tanàna ity ; izay ombin’ny sefom-pokontany raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Tanàna fanin-telony voatafika ny tao Ambatomainty izay nahaverezana omby maro ihany koa.

Niezaka nanao ny fanarahan-dia ny zandary sy ny toby miaramila 109 ao Mandoto niaraka tamin’ny fokonolona, tsy mbola nahitana vokany izany hatramin’izao, na dia mbola mitohy aza ny fanarahan-dia. Fantatra fa omby roa no efa novonoin’ireo dahalo teny an-dàlana nakany hena.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser