- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpiasan’ny banky voatafika, very ny entana rehetra tao an-trano

Toliara : Mpiasan’ny banky voatafika, very ny entana rehetra tao an-trano

Omaly dia tokantrano roa voatafika tao amin’ny fokontany Tsimenatse-Ouest I Toliara. Ny iray an’ny mpiasan’ny banky, vaky naraim-be, tany amin’ny roa ora sy sasany tany ho any. Lasan’ny jiolahy avokoa ny entana rehetra tao an-trano,  toy ny fahitalavitra, ampli baffle, sns. Nentin’ireo mpandroba hatramin’ny vilany nisy hani-masaka tao an-trano. Ny entana sasany tsy zakan’izy ireo niparitaka teny an-tokotany. Raha ny fanazavan’ny tompon-trano dia niditra teo amin’ny varavarankely nanandrify ny lakozia ireo mpangalatra. Avy eo nanokatra ny varavarambe teo amin’ny « salon » namoahana ireo entana. Taitra tampoka tamin’ny torimasony ity raim-pianakaviana mpiasan’ny banky raha notsilovin’iray tamin’ireo jiolahy ny « lampe de poche ». Noho ny tahotra dia tsy afa-nihetsika izy. Nitsoaka ireo jiolahy avy eo. Teo vao niantso vonjy tamin’ny manodidina ny voaroba. Nantsoina ny mpitandro filaminana avy eo, nefa efa nadio ny rano nitana.

100 Euros. Raha ny vaovao voaray hatrany, efa nisy nangalatra ihany koa ny motony , efatra andro talohan’io, saingy tratra, ary nody adala ny lehilahy iray voasambotra. Tsy lavitra teo ihany koa (150 m), nisy trano iray hafa vaky. Lasan’ny jiolahy ny lelavola 100 Euros, an’ny mpianatra kaomorianina. Noho ny fiparitahan’ny basy dia miverina indray ny asan-jiolahy maherivaika ao Toliara.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser