Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay dia saika andrenesana fanafihan-jiolahy mitam-basy ny tany amin’iny faritra Itasy sy ny manodidina iny. Ny alin’ny alakamisy lasa teo, nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Soavinandriana Itasy, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Amparaky, 20 kilaometatra miala ny tampon-tanàna. Jiolahy efa-dahy mirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra no niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tany an-toerana. Vokany: vola maherin’ny iray tapitrisa mahery no lasan’ireo olon-dratsy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nanamparan’ireto tsy vanona ny filan-dratsiny ny tovovavy iray tao amin’io tokantrano io. Izy efa-dahy no indray nitambatra tamin’ity ankizivavy vao 17 taona ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any no niseho ity fanafihan-jiolahy ity. Tamin’ny alalan’ny famakian’izy ireo ny varavarana no nidirany tao amin’ity tokantrano iray ity. Avy hatrany dia voambana fitaovam-piadiana ireo olona tao an-trano ka tsy nisy afa-nanohitra. Tsy nisy afaka niantso vonjy ihany koa. Raha ny fantatra ihany koa dia toerana somary ambanivohitra sy mitokantokana izy io ka mora tamin’ireo olon-dratsy ny nanampatra ny asa ratsiny tao amin’ilay tokantrano. Efa nitsoaka lavitra ireo jiolahy avy nanao ny ataony vao afaka niantso mpitandro filaminana ireo niharan-doza. Tonga avy hatrany teny an-toerana nisian’ny fanafihana ireo zandary saingy indrisy fa efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo olon-dratsy. Na izany na tsy izany dia efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto, raha ny fampitam-baovao azo. Inoana fotsiny mba tsy ho voambolana mahazatra fotsiny ihany. Mandry tsy lavo loha tanteraka mantsy ireo mponina amin’iny faritra iny amin’izao fotoana izao.
m.L