- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Vehivavy miboridana nitarika zaza, voasambotry ny olona

Ambohimanambola : Vehivavy miboridana nitarika zaza, voasambotry ny olona

Amin’izao fotoana izao dia efa tsy fantatra intsony ny ratsy, hany ka raha vao mahita tranga hafahafa ny olona, avy hatrany dia misambotra. Toy ity niseho tetsy Ambohimanambola ny alin’ny alakamisy lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ireo olona teny an-toerana dia ramatoa iray, sahabo ho eo amin’ny 45 taona eo ho eo no voasambotry ny fokonolona raha nirenireny teny an-toerana. Hafahafa ihany ny fihetsik’ity ramatoa ity ka izay no antony nisamborana azy, raha ny fanazavana azo. Tamin’io alina io tokoa mantsy dia niboridana tsy nisy afa-tsy silipo kely teny an-koditr’ity ramatoa ity. Tsy vitan’izany fa mbola nisy zazavavikely tokony ho eo amin’ny 6 taona eo ihany koa saritiny manaraka azy. Rehefa nanontanian’ny olona izy dia toa tsy mahafantatra akory ny anaran’ity zaza taritiny miaraka aminy ity. Fihetsika nampiahiahy izay nahatonga ireo fokonolona niroso avy hatrany tamin’ny fanakanana ireto olona ireto. Etsy andanin’izay dia nambaran’ireo olona fa tsy mponina velively eny amin’iny faritra Ambohimanambola ity vehivavy miaraka amin’ny ankizy ity, ary tsy misy mpahafantatra ihany kosa. Izy rahateo lasa toy ny olona very saina izany rehefa nosamborin’ny olona. Nandeha avy hatrany ny resaka, mpamosavy sa mpangala-jaza mody adala ? Azo eritreretina ihany koa ho olona very saina tampoka teny am-pandehanana teny. Tsy vitsy tokoa mantsy amin’izao no manao toa izany ho azy eny an-dalana, noho ny hamafin’ny fiainana, eo ihany ny resa-pitiavana sns. Fa raha ity ramatoa ity aloha, dia teo no ho eo ihany dia natolotra avy hatrany ny tompon’andraikitra.

m.L3030

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser