- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanitsena : Nangalarin’ny olon-dratsy ny taribin’ny Jirama

Ambanitsena : Nangalarin’ny olon-dratsy ny taribin’ny Jirama

Miaina ao anaty haizina indray ny mponina eny Isoavina, Ambanintsena nanomboka ny sabotsy lasa teo. Nisy nangalatra mantsy ny taribin’ny Jirama, mitondra ny herinaratra miainga avy any Ambanintsena mankany an-toerana. Raha ny voalazan’ny olona teny an-toerana dia ny zoma hifoha sabotsy no tapaka ny jiro. “Mbola nisy alim-pandihizana mihitsy aza teo an-tanana tamin’io alina io. Tampoka teo anefa no niaraka maty avokoa ny jiro rehetra”, hoy ny fitantarana olona iray monina eny amin’iny faritra iny. Ny maraina vao hitan’ny fokonolona fa nisy tapaka ary tsy hita teny amin’ny andrin-jiro intsony ny tariby eo amin’ny metatra maromaro teo. Mbola hita teny an-toerana, nianjera tamin’ny tany ny ambina tariby tokony ho 50 metatra, ambiny sisa tsy lasan’ireo olon-dratsy. Nandray fepetra avy hatrany ireo fokonolona, hangorona azy ireo sy hiambina sao mbola hiverenan’ireo mpanao ratsy indray. Efa tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Mbola anio kosa vao handalo ny eo anivon’ny Jirama raha ny fantatra hatrany. Mitairana araka izany ireo mponina. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony mantsy ny fiainan’ny mponina andavanandro, manginy fotsiny ny mety hanjakan’ny tsy fandriampahalemana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser