Dia nanjaka indray ny jiolahy teny amin’iny faritry Mandroseza iny, omaly antoandro be nanahary. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo ho eo, tokantrano iray teny an-toerana no niharan’ny fanafihan-jiolahy indray. Araka ny fantatra teny an-toerana dia toa hoe maromaro ihany ireo olon-dratsy, nitondra fiadiana no niditra tao amin’ity tokantrano ity. Vola mitentina eo amin’ny 14 tapitrisa ariary teo no lasan’ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, dia soa fa tsy nisy olona tao amin’ilay trano. Nambara mantsy fa lasa nivoaka avokoa ireo tompon-trano, ary tamin’io fotoana nisehoan’ny fanafihana io dia toa hoe nivoaka niantsena ny mpanampy. Tsy nisy araka izany ny naratra na ny aina nafoy, saingy najifa avokoa, tetsy andanin’izay ireo entana sarobidy sy ny vola tao an-trano, izay tena nanjakazakan’ireo olon-dratsy tokoa. Saingy tsy afaka niliba firy ireo olon-dratsy na dia nanantena ny tsy ho azon’ny aloka ihany aza. Teo am-piverenana ho any amin’ilay trano ny mpanampy no tojo roalahy nianika tamboho. Nantsoina avy hatrany ny mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana, minitra vitsy monja. Raikitra indray ny fifanenjahana. Tsy naharaka ireto farany izay efa tsara hofana tanteraka anefa ireto roalahy nitsoaka ka nilavo lefona sy voasambotra teny amin’iny faritra Ankadindratombo iny. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana misahana iny faritra iny, hanaovana fanadihadiana sy famotorana. Vinavinan’ireo nahita ny hoe, kisendrasendra sa efa tena tetika maty paika ny nidiran’ireo jiolahy tao amin’ity trano ity. Ny loharanom-baovao teny hatrany mantsy no nahalalana fa toa hoe avy nivarotra fiara ireto tompon’ity trano notafihana io taloha kelin’io tranga io. Azo heverina tsara araka izany fa toa efa vonona ny hanafika mihitsy izy ireo.
m.L