Omaly tolakandro, nisy fiara be iray nivadika teo afovoan-dalana tamin’ny lanana RN 7. Vao nitranga ny loza dia nanomboka nitohana ny fifamoivoizana. Tsy nisy afaka nandeha intsony ireo fiara lehibe. Naharitra ora maromaro izany fitohanana izany, hoy ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana tonga nizaha ifotony ity loza ity. Zara raha nisy hirika kely nizoran’ireo fiara madinika. Tsy fantatra marina aloha ny nahatonga ilay fiara be nitrosina teo amin’ny lanana. Ny vaovao voaray no azo ilazana fa feno entana ity fiara ity ary tsy nahatanty ny vesatry ny entana nentiny ka dia nivadika sahala amin’izao. Niala fiara iray nifanena taminy ity “camion” ity nefa rehefa hamerina ny familina ny mpamily dia tsy tafaverina intsony izany.Tsy azo nialana ny loza, dia izao no niafarany. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa nisy olona maromaro naratra tamin’io loza io. Efa nelefa notsaboina tany amin’ny hopitaly akaiky avokoa izy ireo taorian’ny loza. Nitangorona ny olona nijery ny fandehan-javatra. Tetsy andaniny, nisy ireo niezaka nanala ny entana avy ao antin’ilay fiara niharan-doza. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotana izao mikasika ity loza ity.
Fa mbola tamin’ny lalam-pirenena iny ihany, loza iray ihany koa no fantatra. Mpitondra moto iray no niharan’izany. Naratra mafy tokoa io olona io ary efa nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly.
r.s.