- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpianaka natelin’ny rano tao Fatihita, tapa-bolana vao hita ny razana...

Antsirabe : Mpianaka natelin’ny rano tao Fatihita, tapa-bolana vao hita ny razana iray

Efa ho telo herinandro aty aorina vao hita ny razana iray tamin’izy roa lahy mpianaka natelin’ny rano tao amin’ny tetezan’I Fatihita. Tamin’ny Alatsinainy teo no nahitana ilay rangahy rain’ilay zaza raha toa ka mbola tsy hita kosa ilay zanany hatramin’izao. Raha tsiahivina, fianakaviana iray monina eto Antsirabe no nandeha hivoaboaka kely fa faran’ny herinandro, andro tsy niasana. Nisafidy ny RN7 nianatsimo izy ireo ary teo amin’ny tetezan’i Fatihita no nivoaka haka rivotra kely. Nidina ilay zazalahy kely ary nisasa teo amoron-drano, tsy fantatra anefa izay tena niseho fa tafatsoropaka tany anaty rano ilay zaza, ny rano  amin’io tsy lalina ary tsy nahery vaika raha ny fantatra. Namonjy azy avy hatrany ilay rainy, izay voalaza fa tompon’ny rano tokoa eo amin’ny resaka filomanosana, mbola samy nahatazana ilay zaza avokoa ny fianakaviana tamin’io. Tampoka teo anefa niara tsy hita izy mianaka, natao ny fizahana rehetra sy ny fombafomba niaraka tamin’ny tompon-tany fa tsy nahitam-bokany izany.  Izao efa tapa-bolana aty aoriana izao vao hita ny razana iray, fantatra moa avy hatrany dia nalevina ny razana taorian’ny nampiakarana azy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser