- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Rangahy iray maty voatifitry ny jiolahy

Ampasampito : Rangahy iray maty voatifitry ny jiolahy

Nirefodrefotra ny basy, nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra Ampasampito iny, omaly vao maraim-be. Rangahy iray, 42 taona, no maty voatifitry ny jiolahy tao an-tokantranony. Araka ny fantatra dia jiolahy efa-dahy mirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa no tonga tao amin’ity trano iray ity teny an-toerana.

Somary hafahafa ihany ity fanafihan-jiolahy ity, araka ny nambaran’ireo pôlisy tonga teny an-toerana. Tsy nisy zavatra nalain’ireo olon-dratsy mantsy tao amin’ity tokantrano iray ity, kanefa dia fitaovam-piadiana mahery vaika no nentin’izy ireo. Raha ny fantatra dia tokony ho tamin’ny roa ora maraina teo hoe no niseho ity fanafihana ity. Kotaba teo an-tokotany no nanaitra ireto olona tao amin’ilay tokantrano, izay tsy nisy afa-tsy ity lehilahy namoy ny ainy ity sy ny reniny. Raha vao nivoaka ny trano anefa ity raim-pianakaviana ity, nijery izay zava-nisy, avy hatrany dia ny balan’ireo jiolahy no niantefa teny aminy. Niantefa teo amin’ny kibony ary nivoaka tao amin’ny lamosiny. Lavo avy hatrany izy. Nijininika ny rà. Na dia nialàna nenina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana aza ity raim-pianakaviana ity dia tsy tana ny ainy, noho ny habetsak’ireo rà very, ary angamba mety ho nahazo taova ihany koa ilay tifitra. Tao anatin’izany kosa no nanararaotra nitsoaka ireo olon-dratsy, tsy nitondra na inona na inona. Teo vao nikoropaka ny rehetra, niantso mpitandro filaminana, izay tonga haingana teny an-toerana. Toa herim-po very maina ihany anefa ny an’ireto farany, satria dia samy tsy nisy hita teny an-toerana avokoa ireo jiolahy. Mandeha avy hatrany ny siosion-dresaka fa mety ho lonilonim-piaraha-monina tsotra ihany, ary mety ho olona mahafantatra ireto fianakaviana notafihany ihany koa ireo olon-dratsy. Vinavina ihany anefa izany fa ny fanadihadiana ataon’ireo pôlisy ihany no azo anazava ity fanafihana miharo vono olona ity. Efa mandeha rahateo ny fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser