#- Ankatso. Olona naratra mafy nisy nively tamin’ny « bois rond » indray. Tena efa tonga eto an-dRenivohitra tokoa ve ireo andian’olona mpampihorohoro teny Ivato iny. Ny zoma alina lasa teo, tovolahy iray handeha hody no nisy olon-tsy fantatra nively tsotr’izao tamin’ny hazo, teny amin’iny faritra Ankatso iny. Voa teo amin’ny lohany ka voatery nentina haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana
#- Tsiadana. Andiana tovolahy kely mampihorohoro. Tsy kely tsy lehibe amin’izao dia samy miezaka misotasota avokoa, mba hahazoana vola amin’ireo madinika. Andian- tovolahy maromaro, manodidina ny 15 taona eo ho eo no mampihorohoro ireo ankizy eny amin’iny faritra Tsiadana iny. Ambaran’ireo ray aman-drenin’ireo efa voa tamin’izany, fa alain’ireto tovolahy ireto avokoa ny vola any amin’ireo ankizy. Rehefa tsy manome, dia ampiharan’izy ireo herisetra.
#-Antsakaviro. Misy andian-tovolahy mampihorohoro. Mitaraina fatratra ireo mponina eny amin’iny faritra Antsakaviro miakatra eny Ankadivato iny, noho ny fisiana andian-jatovo, misotrosotro sy mila vaniny amin’ireo mponina eny an-toerana. Misy amin’izy ireo no mahavatra mitondra ireny karazan’alika lehibe ireny mihitsy entina hampitahorana ireo olona.
#- Betroka. Miverina amin’ny fanaony ireo dahalo niova fo. Miverina indray amin’izao fotoana izao, ny fanafihan-dahalo misesisesy any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny tato ho ato ; izay nitranga tao amin’ny kaominina Kilihazo sy ny tananan’i Mahasoa. Dahalo an-jatony maro foana izy ireo no indray manafika, miaraka amin’ny basy. Rangahy lehibe iray no naratra vokatr’izay. Omby an-jatony mahery eo kosa no efa lasan’ireo malaso.
Nangonin’i m.L
# – Anjeva. Vaky fasana. Fasana iray no fantatra vaky tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatofolaka any Anjeva. Araka ny vaovao fantatra, razana enina no nalain’ireo olon-dratsy. Toa tsy mitsahatra mihitsy ity fomba ratsy ity amin’izao fotoana izao, fa vao mainka aza mahazo vahana.
#- Ankatso. Raikitra ny fitsofana sifile. Efa ho efatra andro izay no tsy nisy jiro, telo andro tsy nisy rano teny amin’ny faritr’Ankatso. Raikitra, omaly hariva ny fitsofana sifle teny an-toerana. Dia mandeha ny resaka fa hihamafy ny fitakiana anio.
r.s.