# Ambohidratrimo. Tokantrano telo nasesin’ny jiolahy. Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika indray teny amin’iny faritra Anosiala Ambohidratrimo, ny alakamisy alina lasa teo. Tokantrano telo teny an-toerana no nasesin’ireo olon-dratsy, am-polony teo mitam-piadiana, novakiana. Vola manodidina ny telo hetsy mahery teo no lasan-dry zalahy ireo, miaraka amin’ny fitaovana sarobidy sasantsany tao an-trano. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Efa mandeha ny fikarohana ataon’ny zandary.
# Itaosy. Vaky trano amin’ny andro antoandro. Efa tsy misy tahotra intsony fa dia tsy miandry ny alina intsony ireo olon-dratsy raha hanao ny asa ratsiny. Tokantrano iray teny Ambohijanamasoandro, Itaosy no nidirana jiolahy maromaro. Araka ny filazan’ireo mponina dia niditra teny am-baravarakely izy ireo. Tsy nisy olona tao amin’ilay trano tamin’io fotoana io, ka dia nanararaotra naka izay zakany ry zalahy. Entana sarobidy maromaro no lasa tamin’izany.
# Antsiranana. Tra-tehaka ireo tambajotra mpangalatra Bajaja sy môtô. Ela nitoratorahana ireo olon-dratsy nampitondra faisana iny faritra Avaratry ny Nosy iny, tamin’ny fangalarana ireo môtô sy bajaja. Ravan’ny mpitandro filaminana tany an-toerana mantsy ny tambajotran-jiolahy mpangalatra ireto fitaovam-pitaterana ireto, ny alarobia lasa teo, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Inoana araka izany fa handry ambonin’ny vato indray izany aloha ireo mponina any amin’iny faritra iny.
Nangonin’i m.L