- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Lehilahy iray maty nodonin’ny fiara

Anosy : Lehilahy iray maty nodonin’ny fiara

Lehilahy iray 51 taona no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Anosy, amin’ny lalana Mohammed V. Vao maraina be no niseho ny loza. Araka ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana mpiandraikitra ny lozam-pifamoivoizana, taorian’ny fihainoana ny mpamily, dia toa hoe nihazakazaka niampita ity olona ity. Nanjavona be anefa ny maraina, omaly, ary tsy hitan’ilay saofera izy raha tsy efa akaiky. Araka izany, tsy azo nialana ny loza. Fiara taxi-brousse ity nandona ity. Naratra mafy tokoa ilay lehilahy. Nentina teny amin’ny HJRA hotsaboina. Efa natao ny ala-nenina nefa, ny tolokandro dia tsy tana ny ainy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser