- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe – Andraikiba : Katekista hita faty natsingevan’ny rano

Antsirabe – Andraikiba : Katekista hita faty natsingevan’ny rano

Nahitana faty indray tao amin’ny farihin’Andraikiba ny alakamisy lasa teo. Raim-pianakaviana iray, monina ao Fierenana, Antsirabe faharoa, kaominina Antanimandry, ity hita faty ity.

Tamin’ny talata no voalaza fa nahitan’ny fianakaviany azy farany, niala tao an-tranony izy tamin’io fotoana io. Fantatra moa fa katekista ity rangahy ity, ary nilaza fa handeha hitady “prise multiple” hanomanana fety any amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohijanaka no nialany tao an-tranony. Tsy niverina intsony anefa izy taorin’io raha ny fanazavana. Akory ny hatairan’ny fianakaviany raha naheno  fa hita tao Andraikiba ny nofo mangatsiakany ny alakamisy tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany antoandro. Tonga nijery azy teny moa ireto fianakaviany ary nanamafy fa havany io maty io. Tonga teny an-toerana ihany koa ny BMH sy ny polisy naka sy nanao fizahana ny razana. Fantatra moa fa 2 metatra miala ny morona no nahitan’ny olona azy. Raha ny filazan’ny teo anivon’ny fokontany moa dia nisy ra nivoaka ny vavan’ilay rangahy sy ny orony, tsy nahitana ratra na mangana kosa ny vatany. Tsy fantatra mazava noho izany ny mety ho antony nahafaty azy. Ny fanadihadiana no hamantarana izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana rahateo ny raharaha. Manam-bady ary namela kamboty 2 ity katekista ity izao namoy ny ainy izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser