- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahamasina : Ho hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny asabotsy

Mahamasina : Ho hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny asabotsy

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly hariva tamin’ny 3 ora, teny Ankadilàlana, ny tompon’andrikitra voalohany amin’ny fitandroana ny filaminana mikasika ny lanonana eny Mahamasina amin’ny lanonam-belirano ,hataon’ny Filoham-pirenena voafidim-bahoaka  Hery Rajaonarimampianina.Tamin’izany no nilazan’Atoa Rakotoarimanana Florens CIRGN , fa ho hentitra ny mpitandro filamina amin’io andro io. Anisan’ny nolazainy tamin’izany fa ireo olona rehetra hiditra ao amin’ny Kianjan’i Mahamasina,dia tsy maintsy savaina tsirairay avokoa. Voarara ihany koa ny fivarotana na fisotroana zavapisotro misy alikaola ao anatin’ny Kianja. Raha misy fantatra fa mamo avy aty ivelany ireo mikasa ny hanatrika lanonana, dia tsy mahazo miditra mihitsy. Ankoatr’izany dia misy ihany koa ny fisafoana hatao mandritra ny fety ka hizara roa mazava tsara izy ireo. Misy ireo izay hisahana ny filaminana ao anatiny, misy ireo izay hisahana ny any ivelany.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser