Olona roa no nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina ao Anosy, ny 22 janoary 2014. Tratra nivarotra rongony ary efa tena malaza ratsy tokoa, araka ny filazan’ny manodidina eny amin’ny tanàna ipetrahany izy ireo.
Ny voaloahany dia R. Prosper, 19 taona, monina eny Ambanidia.Tratra tao an-tranony, teo m-pivarotana rongony izy ary nahitana fonosana 27 tany aminy. Amidiny 600 ariary ny iray. Nambarany fa ny rainy, izay tsy hitany ny misy azy, mpanao trano, no mividy ny rongony amidiny. Ilay olona faharoa R. Holy Nantenaina, 24 taona, monina eny Ankadindratombo, dia sarona mbola teo am-pivarotana ihany, tao an-tranony. Ankoatra izany, nahitana rongony fonosana telo (3) mitotaly 1 kilao tao aminy. Nolazainy fa ny vadiny izay mbola miandry an-drainy marary eny amin’ny hopitaly no mpividy ireo rongony eny amin’ny mpamongady. Rehefa namarinin’ny polisy anefa dia tsy hita teny amin’ny hopitaly ny vadiny. Omaly no natolotra ny fitsarana izy roa ireo.
nangonin’i r.s.